<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Tena sambatra sy maha-te ho tia FFPM489</title>
<lyrics>[V1]
 Tena sambatra sy mahate-ho
 tia
 Izay masim-po, madio
 fisainana,
 Fa miara-dàlana mifankatia
 Amin'Andriamanitra,
 Fiainana.
 Masina tokoa re ry Tompo
 Tianay mba ho masina,
 Saina, tena sy fanahy
 Ka fiainan-danitra tokoa
 No santarin'izay mino sy
 manoa.

[V2]
 Indro, mampahery, mahatoky
 koa
 Raha mahitsy ny fijery, soa
 ny fo ;
 Fa ny fo madio sy masina
 tokoa :
 Paradisa an-tany, feno
 zava-tsoa
 Masina tokoa ..sns.

[V3]
 Koa halaviro ny fitaoman-
 dratsy,
 Ny fisakaizana tsy mba
 masina ;
 Fa ny tia ny Tompo, dia
 olon-tsoa mitafy
 Fahadiovan'ny Fanahy
 Masina.
 Masina tokoa ..sns.

[V4]
 Miaraha làlana amin'i Jesosy.
 Fa ny fahavalo ta-hamotraka,
 Mijoroa, reseo ny toetra
 mampihosina
 Ao anaty loto sy ny fotaka
 Masina tokoa ..sns.</lyrics>
<hymn_number>489</hymn_number>
</song>